SOMBIM-BAOVAO

Taorian’ny andro faran’ny fiadiana ny tompondakan’ny ligin’i Matsiatra Ambony, sokajy Ligy 1, vao fantatra fa voahosotra ho tompondaka ny ekipan’i Tsaraofana. Ny taona 2016 no nitsangana ny seko­lin’ny baolina kitra Tsaraofana. Niakatra Ligy 2 ny taona 2019. Marihina fa anisan’ireo ekipa manana ny lanjany ao Matsiatra Ambony ny Tsaraofana.

Hivoaka tsy ho ela ny anaran’ireo mpilalao handrafitra ny ekipam-pirenena Barea hanao ny lalaon’ ny Nosy JIOI 2023, izay hatao eto amintsika ny 25 aogositra-3 septambra. Araka ny vaovao navoakan’ ny mpanazatran’ny Barea, Rakotondrabe Romuald Felix na i Rôrô, mety hisy mpilalao mila ravinahitra fito avy any La Réunion handrafitra ny Barea.

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tany Tsi­roa­nomandidy, ny fiadiana ny tompondakan’i Mada­gasikara, sokajy U14 lahy sy vavy, taranja basikety. Nanao pao-droa ny ekipan’ny BAS izay voahosotra ho tompondaka teo amin’ny sokajy lahy sy vavy. Laharana faharoa teo amin’ny U14 lehilahy ny BCK ary ny SEPA teo amin’ny U14 vehivavy. Tsy nana­dino nisaotra ny tomponandraikitra isan-tsokajiny ny ligin’i Bongolava, taranja basikety.

Tontosa teny amin’ny kianja PAC Ampitatafika, ny asabotsy 8 sy alahady 9 jolay lasa teo, ny “Grand open de la solidarité”, taranja tsipy kanetibe. Fifa­ni­na­nana nokarakarain’ny federasiona malagasy (FSBM). Nisongadina ny ekipan’ny C2BA teo amin’ny lehi­lahy, nisy an’i Hery, Kelly, Mika. Ny CBT kosa ho an’ ny vehivavy, nahitana an’i Tiana sy i Tsiory ary i Fanja.

Partager sur: