Tetikasa “Taratra”: nodinihina ny sehatry ny harena ambanin’ ny tany ao Atsimo Andrefana

Tanjon’ny tetikasa “Taratra”, tanterahin’ny Fivondronamben’ny eveka, ny hahazoan’ny Malagasy tombontsoa avy amin’ny fitrandrahana ny harena voajanahary. Tokony hitondra fampandrosoana ho an’ny mponina eny ifotony ny tombontsoa avy amin’ny fitrandrahana vaventy.

Novolavolain’ny Fivondronamben’ny eveka ny taona 2009 ny tetikasa “Taratra”. Miasa any amin’ny kaominina miisa fito, any amin’ny faritra Atsimo Andrefana, nanomboka tamin’ity taona 2023 ity.
Nisy loa-bary an-dasy mikasika ny fitrandrahana vaventy ny harena ambanin’ny tany, natao tao amin’ny Anteni­mieran’ny varotra Toliara, ny zoma 7 jolay teo. Nandray anjara daholo ny herivelona any an-toerana. Nifampizara ny fomba fijeriny avy ny tomponandraiki- panjakana, ny vondron’olona ifotony ary ny fiarahamonim-pirenena, mikasika ny hitantanana tsara ity sehatra ity.
Nambaran’ny mpandrindra ny tetikasa “Taratra”, Ralahy Emmanuel, fa vitsy ny mponina eny ifotony no mahalala ny lalàna manan-kery, indrindra ny eny ambanivohitra. Tsy tsapan’izy ireo ny tena lanjan’ny fitrandrahana. Izany no antony nanazavan’ireo mpandaha-teny isan-tsehatra samihafa ny fitantanana ny harena ambanin’ny tany sy ny harena avy amin’ny ala.

Fampandrosoana ny faritra
Ankoatra ny tombontsoa azon’ny mpitrandraka, laharam-pahamehana ny fitsinjarana tsy mitanila ny fiantraikany ara-toekarena. Toy ny vondrom-paritra itsinjaram-pahefana (CTD), ny fanjakana foibe, indrindra ny mponina miaina ao amin’ny toeram-pitrandrahana. Mila mifandrindra amin’ny tontolo iainana koa ny fitrandrahana, mba hisian’ny fampandrosoana maharitra.
Haroson’ny tetikasa “Taratra” any amin’ireo tomponandraikitra voakasika rehetra ny fehin-kevitra nivoitra. « Tanjona ny hanomezana antoka ny kaominina, ny mponina, ny fiantraikany tsara ara-toekaren’ny fitrandrahana », hoy ihany Ralahy Emmanuel.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: