Hatao etsy amin’ny IFM Analakely (11-27 jolay) ny fampirantiana momba ny tontolo mananaina. Tafiditra ao anatin’ny fandaharanasa “Varuna” ny hetsika, tohanan’ny Antokon-draharaha frantsay ho an’ny fampandrosoana (AFD). Mandrindra azy ny Ivontoeram-pikarohana IRD, miaraka amin’ny UMR SENS.
Manana fitaovana alambika vaovao fanamboarana ilomenaka ny Foibe CTHT any Toamasina. Mitsitsy, satria 300 kilao isan’andro ny kitay ilaina ary mahazo ilomenaka ao anatin’ny 12 ora, raha 500 hatramin’ny 750 kilao ny alambika andrahoina mandritra ny 24 ora.
Nahazo ny mari-piofanana ny mpitaridia maherin’ny 20 any Sainte-Marie. Nampiofana azy ireo nandritra ny herinandro ny CetaMaada, hiatrehana ny fahatongavan’ny mpizahatany, hijery ny fandalovan’ny trozona any an-toerana tsy ho ela.
Mahatratra 60 tapitrisa Euros ny famatsiam-bola avy amin’ny AFD momba ny tontolo mananaina sy ny toetr’andro, any amin’ny faritra Diana. Hisitraka izany ny mpitantana faritra arovana miisa 14, sady hanampiana ny renivolan’ny FAPBM.