«4-Maso Team Kalo A Capella» : hihira amin’ny gadona sy teny maro

Taorian’ny tetsy Ambodivona, Tana Water Front, ny 25 jona teo, manome fotoana ireo mpankafy azy indray ny 4-Maso. Hisy ny seho “4-Maso Team Kalo A Capella”, ny asabotsy 15 jolay izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany, etsy amin’ny Ivokolo Analakely. A Capella amin’ny endriny maro, gadona maroloko ary amin’ny fiteny samihafa no homanin-dry Toubih sy ny vady aman-janany, izay mandrafitra ny tarika 4-Maso, amin’io fotoana io. Misy sanganasan’izy ireo manokana, hisy koa anefa famerenena hirana tarika hafa.
Hetsika iray efa nisy ela kosa ny “Team Kalo A Capella”. Natokana hanomezan-danja ny karazana mozika, manasongadina ny feo izay natoritory an-taonany maro, izao ezahan’ny tarika 4 Maso fohazina izao indray. Tsy miova ny tanjona, ary mifantenana hatrany ireo mpiangaly ny A Capella amin’ny fizarana ny kantony. Mazava loatra fa tsy ry zareo irery, satria nanasa mpanakanto namana hafa izy ireo. Misy ireo efa fanta-daza amin’ny A Capella, fa ao koa ireo vao misondrotra. Marihina fa seho maimaimpoana izy ity.

Zo ny Aina

Partager sur: