Miantoka ny ampahany betsaka amin’ny fampandrosoana ny firenena ny vehivavy. Mendrika ny hohenoina izy ireo hisian’ny fahalalahana sy hampanjakana ny miralenta.
Nomarihina, omaly, teny amin’ny distrikan’Ambohidratrimo, ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny mponina. Fanalalahana ny fahefana ho miralenta ny lahy sy ny vavy : “hohenoina ny hevitry ny vehivavy sy ny ankizivavy hanjakan’ny fahalalahana maneran-tany”. Io ny lohahevitra novoizina nandritra ny fanamarihana.
Nilaza ny minisitry ny Mponina, Soafilira Princia, fa mifantoka tanteraka amin’ny miralenta isika ka nosinganina manokana amin’izany ny fanomezana fahafahana ny vehivavy sy ny ankizivavy haneho ny heviny. Ny vehivavy rahateo no mandrafitra ny 51%-n’ny mponina eto Madagasikara.
Hery lehibe mitondra fampandrosoana izy ireo ka tsy tokony ho an-jorom-bala ary omena fahalalahana amin’ny sehatra maro, hampisongadina ny maha izy azy. Efa maro ny andriambavilanitra sahy mijoro, tsy manaiky lembenana amin’ny fanasokajiana azy ho fanaka malemy, manana ny toerana maha izy azy eny anivon’ny fiarahamonina sy eto amin’ny firenena. Ampirisihina izy ireny hivoy sy hitondra izany finiavana izany amin’ireo tanora namany.
Ny fampivondronana ny hery no ahafahana mitondra fampandrosoana ho an’ity firenena ity. Avela handray andraikitra amin’izay fampandrosoana azony entina hanatsarana ny fiarahamonina ny sokajin’olona rehetra, indrindra ny andriambavilanitra izay maro anisa.
Raha ny lalàna velona misy eto Madagasikara no jerena dia efa manome ny fahalalahana sy ny fampitovian-jo ny mponina rehetra na lahy na vavy na tanora na lehibe. Mifameno isika ka tokony hifanome tanana hampandroso an’i Madagasikara, hoy ny hafatry ny minisitra.
Tatiana A