Fantatra izao fa niala tao amin’ny AJ Auxerre, i Kenji Van Boto, vodilaharana havian’ny Barea de Madagascar. Hifindra lasy ao amin’ny Pau FC D2, ao Frantsa, ihany izy, ho an’ity taom-pilalaovana manaraka ity. Herintaona ihany aloha ny fifanarahany amin’ity ekipa ity, izay ambarany fa hainy tsara satria efa nindramin’io klioba io izy, ny taona 2021-2022. Nahatratra 36 ny isan’ny lalao notanterahiny, tamin’izany.
Marihina fa nivarina ho D2 ny AJ Auxerre. 27 taona i Kenji Van Boto, ankehitriny. Tsiahivina fa ny taona 2011 i Kenji Van Boto no tonga tao amin’ny AJ Auxerre, ary nilalao tao amin’ny sokajy U19. Ny taona 2014 izy vao nanatevina ny ekipa voalohany. Nahavita lalao 96 izy nandritra izany. Nahafaty baolina telo ary nahavita tolotra miisa 5.
Ankoatra izay, efa nantsoin’i Nicolas Dupuis, hanatevina ny Barea, ny taona 2023 ary niatrika ireo lalao fifanintsanana ho an’ny Can 2024, izay nifandonana tamin’ny repoblikan’i Centrafrique. Manana ny fahaiza-manaony ity vodilaharana malagasy ity ary miandrandra azy, hitondra aina vao ho an’ny Pau FC, ny mpanazatra.
Tompondaka