Fanafihana teny Itaosy: mpamongady very 10 tapitrisa Ariary

Voatafika tamin’ny atoandrobenanahary, omaly, ny mpamongady iray. Nirefotra ny basy teny Itaosy Cité. Noraofin’ny jiolahy tanaty harona plastika ny volabe 10 tapitrisa Ariary.

Nirefotra ny basy! No­robain’ny jiolahy telo lahy mitam-piadiana ny vola 10 tapitrisa Ar tetsy  Anta­netibe,  Itaosy Cité, kaominina Ambohidrapeto, omaly. Ta­min’ny 12 ora sy 45 minitra, tonga tao an-tsena izy ireo. Nanambana basy ilay ramatoa mpivarotra ny iray tamin’ny olon-dratsy. “Roa lahy samy nitam-piadiana izy ireo no niditra tao an-tsena. Nija­nona teo ivelany ny iray. Nitaky ny vola teto amiko ny namany”, hoy ny tompon-tsena lasibatra.
Tsy nety namoha ny fitoeram-bola ilay ramatoa mpi­varotra na dia norahonana aza. Poa toy izay, narefotr’ilay jiolahy ny basy nanerena azy.  “Ni­tsoaka aho. Navokan’ny iray ny harona plastika tany am-paosiny. Noraofiny ny vola”, araka ny fijoroana vavolombelana natain’ilay renim-pianakaviana, nanaovana fanadihadiana teny an-toerana.
Nirifatra ireo olon-dratsy rehefa nahazo ny vola. “Nandra­­san’ny namany iray hafa tsy lavitra teo ireo roa lahy ka nanao taingin-telo tamin’ny moto izy ireo”, hoy hatrany ny loharanom-baovao.

Tsy nisaron-tava

Tsy nisy nanao saron-tava ireo olon-dratsy nandritra ny fanafihana.  Tsy  nihafahafa ni­­taky ny vola tamin’ny tompon-tsena. Nianjera tamin’ny moto, mbola nandroaka ny vola niparitaka tamin’ny tany izy telo lahy nandritra ny fandosirany.  Minitra vitsy taorian’ny tranga, nijery ifotony ny zava-nisy ny mpitandro filaminana. “Efa fanindroany nisy fanafihana tato aminay saingy entana no navoakan’ireo olon-dratsy tany aloha”, araka ny fanazavan’ny tompon-tsena hatrany. Andrasana ny tohin’ny fanadihadian’ny mpitandro filaminana.

Tsiferana R. / JC

Partager sur: