Ho fanohizana ny fiofanana nataon’ny atleta malagasy tany Chine, tonga eto Madagasikara ireo Sinoa manampahaizana 6 mianadahy.
Noraisin’ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, Resampa Andre Haja, teny amin’ny kianja Barea Mahamasina, omaly, ireo sinoa manampahaizana 6 mianadahy hanome fiofanana ny atleta malagasy hiatrika ny lalaon’ny Nosy, JIOI 2023. Taranjam-panatanjahantena 4 no hisitraka izany, ka ny manampahaizana Penglei ho an’ny taranja Badminton, i Zhao Li Jun ho an’ny atletisma, i Wang Haï Yang ho an’ny tenisy ambony latabatra ary i Deng Chang Mini ho an’ny fibatana fonjamby. I Wang Chao kosa no filohan’ny delegasiona.
Nambaran’ny minisitra, fa hampiofana ny atelta malagasy izy ireto ka ny zoma izao no hanomboka izany. Efa hatry ny ela, no nifampiresaka tamin’ny federasiona ny minisitera. “Tsy miandriandry izahay ary tsy ho ela dia hanomboka ny fampivondronana iarahana amin’ny minisitera”, hoy ny nambarany. Mahakasika ireo fotodrafitrasa handraisana ny lalao indray, nanome toky ny minisitra fa mialohan’ny hisokafan’ny lalao dia ho vita daholo izany. Tanjona ny hibatana ny laharana voalohany, mandritra ity andiany faha-11 ity. Fantatra fa mbola hisy vahiny manam-pahaizana hafa ho avy eto an-toerana, hampiofana ireo atleta amin’ny taranja hafa. Tonga teny an-toerana ny “chargé d’affaires” an’ny masoivohon’i Sina, izay nilaza fa tafiditra anatin’ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta izao. Tsiahivina, efa nisy ihany koa ny fitaovana maro natolotry ny firenena Sinoa, ho fanampiana ny atleta malagasy, ahafahana manoman-tena araka ny fenitry ny lalaon’ny Nosy. Tsara ny mampahafantatra fa ny JIOI 2023, hotanterahina eto amintsika ny 25 aogositra-3 septambra ho avy izao.
Mi.Raz