FANTINA sy FINTINA

Hiditra an-tsehatra amin’ny fihaonambem-paritry ny FFKM, tanterahina eny amin’ny FLM Ambatovinaky, anio ireo mpanao politika. Anisan’ireo hakana hevitra amin’ny raharaham-pirenena izy ireo sy ny fiarahamonim-pirenena eo amin’ny sosialy, fihariana sy toekarena ary koa ny politika.
Nambaran’ny loholona Ramanambitana Richard, teny Anosy, omaly, fa adihevitra mivilana ny momba ny fizakan’ny filohan’ny Repoblika zom-pirenena vahiny. Toy izany koa ny fomba fandikana lalàna. Didim-panjakana irery ihany, avoakan’ny governemanta, no mahafoana ny fizakany zom-pirenena malagasy.
Mangataka ny hanafoanana ny fanadinana polisy farany teo ny depiote Del Kely. Novakiany bantsilana ny fisian’ireo mpiadina sivy mianadahy tsy niatrika ny fifaninana kanefa afaka. Tsy mendrika ny ho polisy ny olona tahaka izany. Manaitra ny tomponandraikitra tsy hitazam-potsiny izao toe-javatra izao izy.
Mila fifampiresahana ny fandaminana politika, hoy ny mpandrindra ny vondrona Panorama, Randrianirina Jean-Ignace. ”Tsy ekena raha ny fidinana an-dalambe no eritreretina hanovana ny rafitra misy. Ny fifampidinihana ihany no lalana itondrana ny tolona eto”, hoy izy.

Partager sur: