Fiarovana ny tontolo iainana: miainga amin’ny tsirairay ny asa maharitra atao

Miankina amin’ny olombelona ny hoavin’ny tontolo iainana. Mila tonga saina amin’ny tokony hataony ny tsirairay hamerenana indray ny hakanton’ny harena voajanahary.

Mila tonga saina amin’ny fahapotehan’ny tontolo iainana ny olombelona. Mpiara-belona amin’ny rohivoaary isika kanefa tsy mahafantatra ny lanja entiny ho an’ ny olombelona. Antony nahatonga ny hetsika “Portes ou­vertes sur la nature” natao tetsy amin’ny Institut Français de Madagascar (IFM), omaly. Nitondra fanazavana mahakasika izany ireo mpisehatra samihafa. Mamelona antsika sady zava-mananaina ny tany ka tokony hanova ny fomba fiainany ny tsirairay. « Ndao isika hifandray toy ny mpiara-belona amin’ny tany », hoy i Zafimahaleo Rasolofondrao­solo, nandritra ny lahateny nataony. Nampahatsiahy ny andraikitry ny tsirairay amin’ny famerenana amin’ny laoniny ny zava-boary ity mpandalina fiarahamonina ity. Notohizany fa tokony hihaino ny tany isika. Efa betsaka, hoy izy, ny fandaharanasa sy ny fivoriana ary ny vola nampiasaina tamin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Ka handinika ny zavatra tsy mbola vitany ny tsirairay. To­kony harovana araky ny lalàna ny mpiaro ny tontolo iainana, eo ihany koa ny fanohanana azy ireo amin’ny seha-pihariany. Araka izany, mila hampifandrindrana amin’ny fandrosoana ny fitantanana ny harena voajanahary.

Tsy ampy

Manome vokatra maro ny tany raha oharina amin’ny fambolena ataon’ny olombelona. Mila hampianarina ny zaza malagasy ny rafi-pamokarana ataon’ny tany ahazoana vokatra iray. Mila hatevenina ny teknika entin’ireo mpisehatra rehetra amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Eo ihany koa ny fiofanana arahin’asa sy ny fanomezan-danja ny vondron’olona ifotony eny anivon’ny minisitera samihafa.

Henintsoa Hani

Partager sur: