Herintaona sy tapany no namolavolana azy… Betsaka ireo miandry mafy ny hivoahan’ilay sarimihetsika “Nampoina, ny riaka no valampariako”, nosoratan’ny Profesora Ranjeva Raymond ary notontosain-dRandrianierenana Henri. Handeha voalohany eto Madagasikara ity sarimihetsika ity, ny 15 jolay izao, ao
amin’ny Canal Olympia Andohatapenaka.
Mahay ampahany amin’ny tantaran’Andrianampoinimerina avokoa ny ankamaroan’ny Malagasy. “Ampahany” ihany anefa fa misy ireo tsy voampita, na tavela anatin’ny tahiry rakitry ny ela, izay hofohazina anatin’ny sarimihetsika. Anisan’ny hasongadina anatin’ny “Nampoina”, ny fototry ny fihavanana malagasy, ohatra.
“Tsy miresaka momba ny mpanjaka sy ny zava-bitany fotsiny, fa mitantara ihany koa ny paikady politika nampiharin’Andrianampoinimerina ny sarimihetsika. Hanehoana ny tantara tsy fantatra firy, kanefa namaritra ny fiainan’ny firenena. Hampahafantarana an’i Madagasikara, ny fahefana sy ny toerana nisy azy, satria efa nanana ny toerany eo anivon’izao tontolo izao ny firenena tamin’izany”, hoy ny nambaran’ny Profesora Ranjeva Raymond.
Ny fikambanana Valamparihy no mpamokatra sy tompon-jo amin’izay rehetra mahakasika ity sarimihetsika ity. Miandry ny fandefasana ho an’ny daholobe ny rehetra, araka izany. Sao mantsy anatin’ity vokatra ity koa no misy ny vahaolana ilain’ny firenena amin’izao?
Zo ny Aina