INDRAY MIJERY

 Maherin’ny 500 000 isan-taona ny olona matin’ny fanafody sandoka, araka ny tatitra navoakan’ny Firenena mikambana misahana ny fahasalamana. Tafiditra anatin’izany ny eto Madagasikara. Maro ny antony, mety ho tsy fahatomombanan’ny fitehirizana azy na ny famokarana sandoka mety hitera-doza.
 Manao vaksiny miaro amin’ny Covid-19 ho an’ny zokiolona mandray volan’ny fisotroan-dronona ny ao amin’ny Perception principale  Anjozorobe. Mirongatra izao ny karazana valanaretina ka izany indrindra no antony. Nanomboka ny alatsinainy teo izany ary hitohy anio.  Sokajin’olona marefo ny zokiolona ka mila miaro tena.
 Nanamafy ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro fa hitohy hatramin’ny  sabotsy ny fikorontanana an-dranomasina any amin’ny morontsiraka atsimo andrefana, afovoany andrefana sy atsimo atsinanana ary afovoany atsinanan’ny Nosy noho ny alondrano vaventy avy  any atsimon’ny Nosy. Mila mailo, noho izany, ny mpampiasa ranomasina.
 40%-n’ny vehivavy maneran-tany tsy afaka misitraka ny zony na eo amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra momba ny isan’ny zaza tiany hateraka fotsiny aza. 4 miliara ny tovovavy sy ny vehivavy iharan’ny fanavakavahana mifototra amin’ny maha vavy azy, manerana izao tontolo izao.
Partager sur: