Mazava ny zava-drehetra, namoaka ny datim-pifidianana ofisialy ny governemanta, omaly. Ny fanomanana rahateo efa miroso tsikelikely na dia tsy mifanaraka aza ny vola nangatahan’ny Ceni sy ny azo, hoenti-miasa. Ny zava-dehibe! To ny fanirian’ny Malagasy maro anisa, tsy mankasitraka ny fitarozahan’ny raharaham-pirenena sy ny fivoizana Tetezamita. Niarahan’ny rehetra nahita ny fahavononan’ny mpifanandrina rehetra. Efa eny an-kianja manomana ny mpifidy ny filohan’antoko sy ny mpiara-dalana aminy. Samy mametrapetraka ny rafitra eny ifotony.
Ny baraingo, tsy mbola nahitam-baliny mazava hatramin’izao, ny mahakasika ny filohan’ny Repoblika am-perinasa, Rajoelina Andry. Tsy mbola nilaza mazava ny fanapahan-keviny izy. Ny mpiara-miasa sy ny mpiara-mitolona aminy no manome famantarana tsikelikely. Ny tandapa aza efa mamaritra mazava fa vao misasaka ny taom-pitondrana. Tsy maintsy ho lany amin’ny taom-pitondrana faharoa izy. Efa mirona mankany amin’izay ny paikady politikan’ny ekipany. Mazava hoazy fa tsy maintsy mametra-pialana ny filoha Rajoelina Andry, ny volana septambra ho avy izao. Inona anefa ny antoka ho azy? Manoloana ireo karazana hodidina hafahafa, tsy manome vahana azy sy ny fitondrana tarihiny. Tsy ho afa-miala amin’ny fivelarana sy ny fiaraha-miasa amin’ny hery velona rehetra ny ekipan’ny volomboasary. Efa iaraha-mahita fa nihavery tsikelikely ny fototra niorenany, mba tsy hilazana fa niala tsikelikely ny mpiara-mitolona.
Mbola misy ny fotoana ahafahana mifanolo-tanana amin’ny olom-baovao, andaniny. Afaka mitady ny very ihany koa anefa izy, ankilany. Tsy afaka ny hitompo teny fantatra fa tsy maintsy ho mpandresy. Tsy ampy ny fitazonana ny fahefana, takina ny fiasana mafy avy amin’ny mpanao fampielezan-kevitra. Mila mailo sy malina ny fitondrana ankehitriny, raha te hitazona ny toerany
r.r