Tapitra tamin’ny 27 janoary 2023 ny taom-piotazana sy ny fanondranana letisia avy eto Madagasikara mankany ivelany. Araka ny antontanisa navoakan’ny Foibe teknika mikasika ny zava-maniry any Toamasina (CTHT), nihena ny vokatra raha oharina tamin’ny taom-pamokarana 2021-2022. Nidina ho 14 390 t ny letisia naondrana tany ivelany ny taona 2022-2023, ka nalefa sambo ny 14 275 t ary nentin’ny fiaramanidina ny 115 t. Nitotaly 14 770 t kosa ny taona 2021-2022, ka nalefa sambo ny 14 570 t raha 200 t nalefa fiaramanidina. Voalaza fa noho ny fiakaran’ny saram-pitateran’ny entana amin’ny fiaramanidina (nisy elanelany 85 t) no nahatonga io fihenan’ny vokatra naondrana io. Na izany aza, nisy elanelany 295 t koa ny nentin’ny sambo.
Tsy nitsahatra nihena
Eo anelanelan’ny 80 000 t hatramin’ny 100 000 t isan-taona ny vokatra letisia eto Madagasikara. Efa nahatratra 25 000 t ny letisia naondrantsika tamin’ny taona 2008, ary 20 000 t tamin’ny taona 2016. Tsy nitsahatra nihena izany, ka izao tafidina latsaky ny 15 000 t izao.
Anisan’ny firenena mifaninana amin’i Madagasikara aty amin’ny ranomasimbe Indiana manondrana letisia any Eoropa, mitovitovy vanim-potoana fanondranana, ny ao Afrika Atsimo sy La Réunion, Maorisy ary Mozambika.
Njaka A.