Raha omena lanja : mahavelona ny fampianarana zavakanto

Nokobonin’ny tsirairay ny fahaizana zavakanto hatramin’izay. Tsy nanome vahana azy io rahateo ny rafitra nisy. Niova izany, ankehitriny, ka nanjary fameloman-tena ny fampianarana azy.

Ho an’ny mozika, sandaina 15 000ar (sarany ambany indrindra) ny mianatra mitendry na mitsoka na mikapoka zavamaneno ao anatin’ny ora iray. Mety ho tafakatra hatrany amin’ny
35 000ar izany. Miankina amin’ny fangatahan’ny mpianatra (hiana-drery na hiaraka hianatra amin’olon-kafa). Tsy lavitra amin’ireo ihany koa ny saran’ny fampianarana hosodoko, dihy, hira, sns. Ho an’ireo sekoly na foibe fampianarana zavakanto indray, mahatratra 30 000ar ka hatrany amin’ny 90 000ar isam-bolana ny saram-pianarana.
Raha ny fanazavan’ireo mpampianatra zavakanto, mahavelona tsara io asa io raha omena lanja. Tsy ny mpampianatra ihany anefa no tokony hanome lanja ny taranjan-javakanto ampianariny fa ny fiarahamonina iray manontolo mihitsy. Raha mbola rai­sin’ny ray aman-dreny ho fialamboly fotsiny ihany fa tsy fanabeazana feno amin’ny maha olona ny antony handefasany ny zanany hianatra mozika na sary hosodoko na dihy, sns, dia mbola mampanahy ihany ny hivelona amin’ny fampianarana zavakanto.

Ampidirina ho anisan’ny taranja any an-tsekoly
Anisan’ny fanovana lehibe andrasana amin’ny fanabeazana eto Madagasikara ny fampidirana ny taranja zavakanto any an-tsekoly. Omena lanja izany ka atao mitovy lenta amin’ireo taranja nahazatra hatramin’izay. Sady mamoha talenta no mampivelatra ny sain’ny mpianatra no mitarika any amin’ny fahafenoan’ny fanabeazana feno maha olona ny fanatanterahana io fanovana io.
Tsetsatsetsa tsy aritra, ireo sekoly heverina fa lehibe no efa mampiditra ny zavakanto ho anisan’ny taranja ianaran’ny mpianatra ao ami­ny. Saingy, firy amin’ny zaza malagasy no tafiditra any amin’ireny sekoly ireny ?

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: