3 volana tsy hanombohan’ny fiadiana ny amboara eran-tany, taranja rugby, tanterahina any Frantsa. Mialoha izany fihaonana goavana izany, kilonga Malagasy 5 mianadahy avy amin’ny fikambanan’ny rugby Analamanga, Amoron’i Mania ary Boeny no nanainga nihazo ity firenena hanatontosana ny lalao ity, ny alahady lasa teo.
Handray anjara amin’ilay tetikasa iraisam-pirenena «Village copain du monde», hotanterahina ny 9 ka hatramin’ny 26 jolay ho avy izao, izy ireo. Hetsika karakarain’ny Secours populaire français. Ankoatr’io fihaonana io, hisy koa ny fifanakalozana ara-kolontsaina, malagasy sy frantsay, tanterahina ao anaty fifankatiavana eo amin’ireo ankizy mpandray anjara, ahafahana mampitombo ny traikefan’ny tsirairay.
Tanjona amin’izao dian’izy 5 mianadahy izao ny fandratoana fahalalana sy fahaiza-miaina eo amin’ny tontolo misy azy ireo. Hampita izany ireo manam-pahaizana avy amin’ny Secours populaire français. Hizara izany ho an’ireo namany eto Madagasikara kosa izy ireo, aorian’ny diany.
Tompondaka