SOMBIM-BAOVAO

Norombahan-dRanaivo Tojo ny Mada-Run izay notanterahina ny alahady lasa teo, teny Arivonimamo. Marihina fa tamin’io fotoana io no natao ny “Run 2 ème manche”, taranja Rally. Norombahan-dRanaivo Tojo, mpanamory ny fiara Mitsubishi Evo X ny amboara rehefa nandresy an-dRafanomezantsoa Jean de Dieu, teo amin’ny lalao famaranana, izy.

I Cameroun sy i Egypte, tafiditra anatin’ireo firenena 10, manana amboara betsaka indrindra amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Araka ny vaovao navoakan’ny Fifa, omaly, tao anaty tambajotran-tseraseran’izy ireo. Marihina fa i Egypte, nahazo ny amboaran’ny Afrika (Can), impito raha toa ka indimy kosa i Cameroun.

Efa amboarina ny lalana mankany amin’ny kianjan’i Vontovorona, araka ny fanadihadiana natao omaly, ho vita amin’ny faran’ny herinandro io lalana io. Marihina fa anisan’ireo kianja handray ny lalaon’ny Nosy, JIOI 2023, izay hotanterahina eto amintsika ny 25 aogositra hatramin’ny 3 septambra ity kianja ity.

Partager sur: