TARATRY ny KANTO

Hiverina ny “Tafan-glita”. Tetikasa iray, nampiarahana ireo kalaza amin’ny tendry gitara amin’izao fotoana, ahitana an’i Mbola Talenta, Jovin, Nini Kolibera ary i Hoby. Lasa anaran’ny tarika mihitsy taty aoriana izany. Hiaka-tsehatra etsy amin’ny Piment Café Behoririka ry zalahy ny zoma izao, manomboka amin’ny 8 ora alina.

Hitondra ny tafasiry eny amin’ny Bar à Livre, Le Park Bemasoandro, i Hobiana. Hotontosaina ny sabotsy 15 jolay izao indray ny fihaonana ho an’ny literatiora, ao amin’ity toerana ity. Hampahafantarana ny boky vao navoakany, “Fanoitran’ny fampivoarana”, ny mpanoratra mandritra izany. Malalaka ny adihevitra izay hanasana ireo tia literatiora rehetra.

Hahazo ny anjarany ihany koa Imerintsiatosika. Hitodi-doha ho any an-toerana ireo mpilalao tantara fandefa amin’ny Radio, mivondrona ao anatin’ny Iray Fy’Art. Hitondra an-tsehatra ilay tantara “Anjara voasedra”, ny alahady 23 jolay izao i Faly, Synèse, Rakoto, Niravo, Antsaravaka ary Bruno.

Tanterahina anio tolakandro, eny amin’ny Fondation H, Ambatomena ny “Atelier Hay”. Atrikasa ho an’ny ankizy, fanaon’ity ivontoerana ity, ao anatin’
izao fialan-tsasatra izao. Tanjona ny hikolo sy hampahalala ny zava-misy amin’ireo ankizy. “Composition d’une mathériauthèque” no lohahevitra ampahafantarina ny mpanatrika.

Partager sur: