Toamasina : jiolahy 157 voatifitry ny polisy

Maro ny tarata­sin’ady miakatra ao amin’ny fitsarana Toamasina. Misy anefa ireo tena mitana ny sain’ny mpanara-baovao ny manaraka azy.

Ny 18 avrily teo, nivoaka ny ordonnance laharana faha-047-CC/CA/ TOA/23, avy amin’ny filohan’ny fitsarana voalohany eo anivon’ny fitsarana ambony Toamasina, Razafiarison Hery Harizandry, izay misahana ny ady heloka bevava sy ny fametavetana ary ny fanolanana ankizy tsy ampy taona. Ny 05 jona 2023 no fanombohan’ny fotoam-pitsaran’ny ady heloka bevava ka nifarana ny 10 jolay teo ny andiany voalohany, andro tsy fiasana anefa ny 28 jona, araka izany, nahemotra ny 11 jolay ny fotoam-pitsarana ka nifarana teo. Anisan’ny mahaliana ny mpanara-baovao maro izany. Antontan-taratasin’ady miisa 99 no tsy maintsy mandalo fitsarana, raha mpitsara miisa 12 mianadahy kosa no nisahana izany. Amin’ny ankapobeny, mbola mitazona ny laharana voalohany eo amin’ny fitsarana ny tambajotran-jiolahy mpanao fanafihana sy vonoan’olona mahatsiravina raha faharoa kosa ny fanolanana.

Raharaha famonoana vazaha tao Ste Marie
Amin’ ireo raharaha miisa 99 voalaza etsy ambony, 51 ny fanafihana mitam-piadiana sy vono olona ka nandalo fitsarana tamin’ny andiany voalohany. Anisan’ izany ny laharana faha-034-Toa/ 21-3630-RP/16, raharaha mahakasika ny famonoana an’ilay teratany frantsay roa mianadahy mpanao asa soa, iraky ny fitondrana frantsay, ny alin’ny 20 hifoha ny 21 aogositra 2016, dia i Romin sy Mangalie. Miisa 12 mianadahy ny olona voarohirohy tamin’ ity raharaha ity. Ny fitondrana frantsay no mpitory ary mahatratra hatramin’ny 38 kosa ny vavolombelona. Ny 24 aogositra, nentina teto Toamasina ny raharaha sy ireo olona rehetra voarohirohy. Tsy nanan-tsafidy ny fitsarana fa avy hatrany dia nampiditra am-ponja vonjimaika ireo 12 mianadahy mba ilazana fa miasa ny fitsarana sy hakana naoty eo anoloan’i Frantsa, raha ny ambetintenin’ ireo mpisolovavan’ny voampanga nandritra ny fotoam-pitsarana ny 11 jolay teo. Naharitra adi­ny 6 ny fifandaharana. Efatra tamin’ ireo voampanga anefa no nanatrika ny fotoam-pitsarana noho izy rehetra ireo efa nahazo fahafahana vonjimaika. Nanambara ny mpisolovavan’ny mpangataka onitra fa “novonoina tamin’ny fomba feno habibiana ny olona arovanay, ary mitodika aty amin’ny fitsarana malagasy ny ma­son’ izao totolo izao momba ity raharaha ity. Tanora fran­tsay mpanao asa soa izy roa ireto ka mety hampisy voka-dratsiny eo amin’ny fifandraisana ara-pitsarana eo amin’ny firenena roa tonta ny mety ho vokatry ny famoahana didy”. Vokany, taorian’ny fifandaharana, nilatsaka ny didy faratampony fa voaheloka hanao asa an-terivozona mandra-pahafatiny ny dimy amin’ ireo voampanga. Namoahana didy fampisamborana ary mandoa onitra 250.000.00 Ariary ihany koa. Nafahana noho ny fisalasalana kosa ny telo ary afaka madiodio ny efatra izay nanatrika ny fotoam-pitsarana.
Anisan’ny voaheloka asa an-terivozona mandra-pahafatiny sy handoa onitra voalaza etsy ambony ary namoahana didy fampisamborana ny talen’ny banky BFV/SG tao Ste Marie, ny taona 2016. Nisy ny fijoroana vavolombelona nanameloka azy io.

Efatra taona naolan’ny dadatoany
Amin’izay antontan-taratasin’ ady eo anivon’ny fitsarana ambony Toamasina, sampana ady heloka bevava sy fametavetana sy fanolanana ankizy vavy tsy ampy taona izay hatrany, mihantona ny laharana faharoa ny fanolanana. Ho an’ny antontan-taratasin’ady laharana faha-26-Toa /23-057-RP/22 izay hiampangana an-dRakotoson Rakotoarisoa ho nanolana ny zana-draha­va­vin’ny vadiny nandritra ny
4 taona.

Tsy hitsitsy ny polisy, 157 jiolahy maty voatifitra
ho fitsinjovana ny fandriampahalemana, tsy hitsitsy manoloana ireo asan-jiolahy ny polisy, raha ny tafa nifanaovana tamin’ny talem-paritry ny filaminana anatiny, ny kaomisera Rakotovao Jean Christian sy ny kaomisera komandin’ny Fip, Rafaliarivo Jules. Vokany, lavon’ny ba­lan’ny Fip raha efa ela noka­rohina i Mengane sy Ra-Japane, ny alin’ny alatsinainy hifoha ny talata 11 jolay, tao Anjoma. Raha hiverenana, jiolahy miisa fito no nifanehatra tamin’ny polisin’ny Fip, izay notarihin-dRafaliarivo Jules ka lavon’ny bala ny roa raha azo sambo-belona kosa ny efatra ary iray hafa mbola karohina. Ireto jiolahy ireto avokoa no tompon’ antoka tamin’ny fandrobana mpivarotra tao Ba­zary kely ka nahaverezana vola 8 tapitrisa Ariary sy moto iray, ity farany izay tafaverina taorian’ny fisavana ny tranon’ ireo jiolahy.

Partager sur: