VAOVAO TAMBATRA

Saika tapaka daholo ny famatsian-drano teto an-drenivohitra sy ny manodidina, omaly atoandro hatramin’ny hariva. Araka ny fanambaran’ny Jirama, nisy simba ny fantsombe mamatsy rano eny Ampandrianomby, Ambato­roka ary Ambodifilao. Efa niverina tsikelikely ny famatsiana nanomboka tamin’ny 6 ora hariva.

Efa mihoatra ny 5 000 Ar ny sandan’ny 1 euro. Manodidina ny 4 990 Ar hatramin’ny 5 018 Ar ny sandany eo amin’ny tsenam-bola ho an’ny mpanjifa. Misanda 4 964 Ar ny sandany ao amin’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM), omaly. Mahatratra 4 517 Ar kosa ny lanjan’ny dolara iray.

Tsy miova ny saran-dalana mankany amin’ny faritra, amin’izao fialantsasatra izao. Nilaza ireo tomponandraikitry ny kaoperativam-pitaterana fa natao izany mba hitsinjovana ny mpanjifa, satria efa tena sahirana izy ireo. Mitombo izaitsizy kosa anefa ny famandrihana, nanomboka ny herinandro lasa teo.

Harovana ny Faritra ara-toekarena manokana (ZEE) sy ny fari-dranomasina eo amin’i Madagasi­kara sy Afrika Atsimo. Eo koa ny ady amin’ ny jono tsy ara-dalàna,ny trafika isan-karazany,. Anisan’ny noresahan’ny filoha Rajoelina sy ny filoha afrikanina tatsimo, Cyril Ramaphosa, ireo, nandritra ny fihaonany tany Genève, fivorian’ny OIT maneran-tany.

Partager sur: