Voasambotry ny zandary tao Andranomahavelona Masombahiny, Ambohimalaza, afakomaly ny jiolahy iray voarohirohy tamina vaky trano. Avy namaky tranon’olona iray tao amin’ity fokontany ity izy no nifanehatra tamin’ny zandary. Fiaraha-miasa teo amin’ny fokonolona sy ny zandary no nahafahana nisambotra azy. Hita teny aminy nandritra ny fisavana nataon’ny zandary ny entana halatra avy nangalariny. Anisan’izany ny fahitalavitra iray, radio, vilany dimy, fibaikoana lavitra roa. Tsy vitan’izay fa mbola tratra teny aminy koa ny fitaovana fitondrany rehefa mandeha mamaky trano, toy ny maritoa, baramina, tournevis, gony sy kitapobe fitondrana ireo entana halatra. Niaiky ny heloka vitany izy nandritra ny famotorana nataon’ny zandary. Fantatra tamin’izany fa tsy vao izao izy no nanao ity asa ratsy ity. Mahavita mitety fokontany maro mihitsy izy, mijanona amina toerana iray fa mifindrafindra.
Fa jiolahy iray avy nangalatra varavarana hafa koa no nifanehatra tamin’ny polisy teny Ampasika, omaly maraina. Efa an-dalana ho any Ambodin’Isotry hivarotra ireto varavaram-by ireto izy no tsikaritr’ireo polisy manao sakana eo Ampasika. Hafahafa fihetsika raha nitondra ireto varavarana ireto ka nahatonga ny polisy nanakana azy. Fantatra tamin’izany fa avy nangalatra izy ary nikasa hivarotra ny varavaravana any Isotry.
J.C