TSELATRA

Roa lahy tra-tehaky ny mpitandro filaminana noho ny fihazonana zava-mahadomelina tetsy Namontana, afakomaly. Nataon’ny polisy fisavana tampoka, nahitana fonosana rongony tamina harona plastika nilanja 10 grama teny amin’izy mirahalahy. Nokasaina ho fohana teny Andohatapenaka io rongony io, araka ny famotorana natao azy mirahalahy.
Voasambotra ny mpangalatra moto iray, tetsy Amboditsiry, afakomaly. Niaraka tamin’ny namany, ,nohararaotin’ity jiolahy ity nalaina ny moto rehefa resin-tory ny tompony. Ankoatr’io, moto an’olona hafa koa efa nangalariny tetsy Ambohimanga. Nanao vela-pandrika ny mpitandro filaminana. Vokany, sarona niaraka tamin’ny lehilahy iray mpandray ireo moto halatra io tompon’antoka io.
Raikitra ny fifanjevoana tao amin’ny fokontany Ambinky, kaominina Ambohimahavelo, Toliara II, omaly. Mpangalatr’osy nifanenjehan’ny fokonolona. Maty voatifitra ny iray tamin’ireo mpanaradia. Tsaboina eny anivon’ny hopitalibe Toliara kosa ny iray. Mitohy ny fanarahan-dia.
Vehivavy iray tratra niaraka tamin’ny fonosona rongony 95 isa tao antampon-tanàna Antsirabe, omaly. Noraisim-potsiny niaraka taminy ny lehilahy iray mpidoroka. Efa mpivarotra io zava-mahadomelina io hatry ny ela ity vehivavy tra-tehaka ity.

Partager sur: