Mpampianatra 603 no nisitraka fampiofanana nanerana ny Ecole Normale Supérieur (ENS) efatra eto Madagasikara avy amin’ny tetikasa “Perform”, izay fiaraha-miasan’ny sekoly ambaratonga ambony ENS sy ny AUF ary vatsian’ny “Erasmus+”. Tanjona ny hananan’ireo mpampianatra fahaiza-manao amin’ny fampitana ny lesona amin’ny teny frantsay sy ny fampiasana ny haitao avo lenta.
Nahazo CEG Itomboina, kaominina Beheloke avy amin’ny tetikasa « Fampandrosoana » ny vondron’olona ifotony sy fanomezana vahana ny fampianarana hanome lanja ny fiarovana ny valan-javaboahary. Tafiditra amin’ny asa ho an’ny fampandrosoana omanin’ny Madagascar National Parks, misahana ny fitantanana ny faritra arovana Tsimanampetsotsa, izao.
Horaisin’ny fanjakana an-tanana ny hetra sy haban-tsena amin’ny fanafarana entana avy any ivelany mikasika ny fampidirana fitaovana ara-pitsaboana, toy ny vata fampangatsiahana ampiasana laboratoara fitiliana ra, fitaovam-panadiovana ary fitaovam-pandanjana avy amin’ny UNICEF.
Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra ny fahafahan’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ny ampahany amin’ny tetibolany hamatsiana akora ara-pahasalamana sy vata fampangatsiahana hitehirizana fanafody amin’ireo hopitalim-panjakana. Ny foibe fividianana fanafody SALAMA no mitsinjara ireo akora ireo.