Mahatratra 16 ireo sambo haingam-pandeha ampiasain’ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga hiarovana ny harena an-dranomasina. Hanamafy hatrany ny ady amin’ny jono tsy ara-dalàna tsy voambara ary voafehin-dalàna ny minisitera. Nahazo sambo haingam-pandeha hanampiana ny sambo Atsantsa ny faritra Boeny. Manana tanjaka 115CVx 2 ity Sambo haingam-pandeha ity raha mirefy 6,20m. Hiasa avy hatrany izy hanenjika ireo trangana tsy fanarahan-dalàna. Afaka mamonjy ireo tra-doza koa izy. Nanome ity fitaovana ity ny tetikasa SWIOFish2, vatsian’ny Banky iraisam-pirenena vola. Nanolotra izany tany an-toerana ny minisitry ny Jono sy ny toekarena manga, Mahatante Paubert. Nanotrona izany ny governoran’ny faritra sy ny tomponandraikitra samihafa ao an-toerana ary ireo mpiara-miombon’antoka rehetra amin’ny minisitera.
Henintsoa H.