Kitra – Fifanintsanana «Mondial 2026»: iray vondrona indray i Madagascar sy i Ghana ary i Centrafrique

Fantatra avokoa ireo firenena miray vondrona amin’i Madagasikara amin’ny fifanintsanana ny hiatrehana ny «Mondial 2026». Hihaona ao indray ny Black Star Ghana sy ny Barea de Madagascar.

Notanterahina tany Abidjan Côte d’Ivoire, omaly, ny antsapaka ho an’ireo firenena hifanintsana hiady ny toerana hiatrehana ny “Mondial 2026”. Ao amin’ny vondrona “I” no misy an’i Madagasikara. Miray vondrona amintsika indray i Ghana sy i Centrafique, raha toa ka i Comores, Mali ary Tchad no manampy azy ireo.
Tsiahivina fa mbola manala vela amin’i Centrafrique sy i Ghana ny ekipam-pirenena malagasy. Izy ireo dia nandavo ny Barea nandritra ny lalao fifanintsanana Can 2022. Ani­san’izany ny nandavon’ny Les Fauves Centrafrique ny Barea de Madagascar, tamin’ny isa 3 no ho 0, ny 23 marsa lasa teo.
Anisan’ireo hifanandrina amin’i Barea, amin’ny lalaon’ny Nosy 2023 JIOI, hotanterahina eto amintsika, ny 25 aogositra – 3 septambra, ny ekipam-pirenen’i Comores.
Raha tsy misy ny fiovana, hotanterahina eo anelanelan’ny 13 -21 novambra 2023, ny andro roa voalohany amin’ny fifanintsanana.
Marihina fa tafita amin’ny «Mondial 2026», ireo firenena 9 voalohany isam-bondrona. Manao lalao sakana indray ireo ekipa 4 laharana faharoa tsara indrindra, hiadiana ny toerana iray hiatrehana ny dingana famaranana.

Fitia

Vondrona A : Egypte, Burkina Faso, Guinée – Bissau, Sierra Leone, Ethiopie, Djibouti
Vondrona B : Sénégal, RD Congo, Mauritanie, Togo, Soudan, Soudan du Sud
Vondrona C : Nigeria, Afrique de Sud, Bénin, Zimbabwe, Rwanda, Lesotho
Vondrona D : Cameroun, Cap-Vert, Angola, Libye, ESwatini, Maurice
Vondrona E : Maroc, Zambie, Congo, Tanzanie, Niger, Erythrée
Vondrona F : Côte d’Ivoire, Gabon, Kenya, Gambie, Burundi, Seychelles
Vondrona G : Algérie, Guinée, Ouganda, Mozambique, Botswana, Somalie
Vondrona H : Tunisie, Guinée Equatoriale, Namibie, Malawi, Liberia, Sao Tomé
Vondrona I : Mali, Ghana, Madagasikara, Centrafrique, Comores, Tchad.

Partager sur: