Lomano – Lalaon’ny Nosy : nahena ho 16 ny isan’ny Malagasy mpilomano hifaninana

Araka ny loharanom-baovao, 8 lahy sy 8 vavy no handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy, taranja lomano, hiatrika ny andiany faha-11 ny lalaon’ny Nosy. 30 anefa no tokony ho isan’ny hisolo tena an’i Madagasikara tany am-boalohany, raha ny fanazavan’ny Tale teknika nasionaly eo anivon’ny federasiona mala­gasin’ny lomano, Razafin­drafidy Naivo. 16 ihany man­tsy ny isa nomen’ny COJI (Commission d’organisation des jeux des iles). Tsiahivina fa nanomboka omaly, hitohy anio sy rahampitso, any Toamasina, ny fifaninanana fifantenana farany ireo mpilomano.
Noho ny fiovan’ny daty, izay tokony ho amin’ny 24 jolay izao, kanefa naroso, tsy afaka namonjy ity fifaninanana fifantenana farany ity ireo mpilomano mila ravinahitra. Fantatra kosa, amin’ny herinandro ho avy io no ho tonga eto ny roa, dia i Gervais Noa sy Razafintsalama Tiavintsoa.
Mahakasika ny vokatra omaly kosa, teo amin’ny 50m dos vehivavy, Tendrinavalona Idealy, avy ao amin’ny Cosra no tafavoaka voalohany. Laharana faharoa, Rabejaona Holy Antsa, avy amin’ny klioban’ny Managing sport notation. Teo amin’ity 50m dos ity hatrany fa ho an’ny sokajy lehilahy, Ramiakatrarivo Ando, avy ao amin’ny klioban’ny ASSM no tonga voalohany. Laharana faharoa kosa, Andrianirina Lalanomena, avy amin’ny Racing Club. Fa­hatelo, Rakotobe Tendry Tiavina, avy amin’ny klioban’ny Sainte Jeanne d’Arc.

Mi.Raz

Partager sur: