Voasambotry ny polisin’ny Service Central des enquêtes specialisées, ny talata 11 jolay teo, ireo roa lahy sy vehivavy 12 noho ny resaka fanondranana olona hiasa any amin’ny tany Arabo. Tratra teo am-panaovana pasipaoro an’ireo vehivavy 12 halefa hiasa any Allemagne, Egypte ary Koweït izy roa lahy voarohirohy. Nohadiadian’ny polisy avy hatrany. Fantatra, nandritra izany, fa vehivavy avy any amin’ny faritra Sava izy ireo. Angalan’izy roa lahy vola 4 hetsy Ar hatramin’ny 1 tapitrisa Ar isan’olona, ho saran’ny fanaovana pasipaoro, ireto mpitady asa. Manana ny paikady manokana izy roa lahy mpanondran’olona an-tsokosoko. Ny iray midina any amin’ny faritra mandresy lahatra izay ho lasibarana. Misafidy izay vehivavy mazoto handeha hiasa any ivelany izy. Aorian’izay, asaina miakatra aty an-drenivohitra hikarakara ny antontan-taratasy rehetra. Misy amin’izy ireo no miantrano ao amin’izy roa lahy. Misy ny manofa trano eto an-drenivohitra, miandry ny daty voalaza fa hiaingana.
Ankoatra ny vola hanaovana pasipaoro, mbola mandoa vola hafa ny mpitady asa. Tafakatra hatrany amin’ny 2 tapitrisa Ar ny sandan’ny fandefasana azy ireo.
Niverina indray ny fanondranana vehivavy hiasa any ivelany, rehefa nangingina izany tato ho ato.
Jean Claude