SOMBIM-BAOVAO

Tsy tafiditra ao anatin’ny ekipan’ny Paris Saint Germain, Randriamamy Mathyas, ho an’ny taom-pilalaovana 2023. Malagasy mpiandry tsatoby, mila ravinahitra any ivelany. Araka ny vaovaon’ny RMC, tsy ao anatin’ny lisitry ny mpanazatra vaovao izy.

Resy nanoloana ny mpifanandrina taminy, tamin’ilay fifaninanana «Tournoi Casely», taranja tenisy, ny Malagasy mpilalao, Rakotondrainibe Sampras. Fifaninanana notontosaina tany Naples Floride, ny herinandro teo. Mpilalao teratany australianina, i Alexey Shtengelo, no nandavo azy, tamin’ny «Tie Break 6-4/7-7 sy 6-5/7-7. Vola 10 000 dollars no azon’ny mpandresy.

Hifanindry amin’ny JIOI 2023 ny Champions League C1 sy ny Coupe de la Confederation Africain C2. Araka ny fivoriamben’ny Caf, natao tany Abidjan, omaly, hotanterahina ny 18, 19, 20 aogositra ho avy izao ny lalao mandroso C1, raha toa ka ny 25, 26, 27 aogositra ny miverina. Ny 15, 16, 17 septambra ny dingana voalohany C2 ary ny 29, 30 septambra ary 1 oktobra ny faharoa.

Hafana ny manasa-dalan’ny fifaninanana XXL Top 20, taranja rugby. Ny ekipan’ny FTM Manjakaray no hihaona amin’ny Uscar, raha toa ka ny Cosfa hidona amin’ny 3FB. Ireo no fihaonana voalahatra, araka ny vaovao azo teny anivon’ny Malagasy Rugby.

Partager sur: