Nanampy tamin’ny fandrafetana ny Drafi-pampandrosoana ny kaominina (PCD) miisa 14 ny tetikasa Ambatovy. Natolotry ny filoha lefitra misahana ny fifandraisana amin’ny andrim-panjakana, Phillipe Beaulne, teny amin’ny Lapan’ny faritra Atsinanana, ny 29 jona teo izany. Misitraka ity PCD ity ny kaominina miisa 14, mandalo ny fantsombe miainga any Ambatovy Moramanga hatrany Toamasina, ka ao amin’ny faritra Atsinanana ny 13 ary Alaotra Mangoro ny iray (Morarano Gara). Nitarika ny ben’ny Tanàna ny governora Atsinanana, Rafidison Jean Théodore. Nasongadiny fa nahaloa ny hetrany sy ny tamberim-bidiny any amin’ny tahirimbolam-panjakana ny tetikasa Ambatovy.
Nahazo ny Drafitra fampiasam-bolan’ny kaominina (PIC) koa ny kaominina an-tanàn-dehibe Toamasina I sy Moramanga. Nandray anjara tamin’ny famolavolana azy ny vondrom-piarahamonina rehetra eny ifotony.
Tafiditra ao anatin’ny tetikasa sosialy sy fotodrafitrasa (FIS), mitentina 25 tapitrisa dolara, ataon’Ambatovy ireo tantsoroka ireo. Miara-miombon’antoka aminy amin’ny lafiny teknika ny ONG Saha. Nisy fanohanany kaominina toy izao koa tamin’ny taona 2012. Tanjona ny hahaizan’ny kaominina mitantana, ny fahazoana fotodrafitrasa sosialy, fahasalamam-bahoaka, fanabeazana, tontolo iainana.
Sajo sy Njaka A.