Mivadika ho vontoatin’adihevitra sahady ilay volabe, anto-bola 200 tapitrisa Ariary ho an’izay manam-paniriana ho kandidà filohan’ny Repoblika. Misy amin’izay efa nanao fanambarana hofidiana no milaza fa mihoapampana izany. Mangataka ny hamerenana azy amin’ilay taloha, ho 50 tapitrisa Ariary. Asa mety hampiverin-dalana izay nanam-pahavononana ve izany ? Iaraha-mahalala fa efa samy manana ny paikady hanilihana ny mpifandrina avokoa ny rehetra. Ny mpitondra, mitady hirika, hamikirana amin’ny toerany. Ny mpanohitra, miketrika ny hamotehana ny tompom-pahefana. Mifamono ankolaka.
Anisan’ny nampiaka-peo koa ny mpanao politika sy ny fikambanana sasantsasany. Miampanga ny fitondrana mijoro ho manosihosy ny lalàmpanorenana. Nambaran’i reto vondrona sy vovonana ireto fa misy ny tsy fanajana ny andininy faha-6, andalana faha-2, sy ny andininy faha-14, andalana faha-4. Ataon’ny fanjakana ho tsinontsinona ny zo fototra mahakasika ny fifidianana. Raisin’ny olona ho fanamparam-pahefana ataon’ny fitondrana ilay izy.
Mahasanganehana ny fivoaran’ny raharaha. Ahina ny ho fiantraikany ratsy kokoa eny amin’ny fiarahamonina. Nomen-danja ny resa-bola no ho ny foto-kevitra. Navadika ho raharaham-barotra ny fifidianana. Raha misy ny masonkarena, tsy maintsy hisy ny famerenam-bola sy fakana tombom-barotra ho an’izay lany. Toy ny « bizna » rehetra, tsy misy hanaiky ho very vola fahatany izay mpilatsaka hofidiana. Mainka hahamay ny raharaha raha maromaro no hahazo ilay 10 % amin’ny voka-pifidianana. Amin’ny fomba ahoana no hamerenana ilay 200 tapitrisa Ar, izay lazaina fa hampandehanana ny fifidianana? Efa mipetraka ny fanontaniana, eny anivon’ny fiarahamonina rehetra eny, hoe: sao handeha amin’ny lalan-kafa aza ilay vola? Efa tsy mifampatoky intsony rahateo ny Malagasy.
r.r