Adin’ny mpivady: lehilahy hita faty nifatotra

Tsy hita popoka ny vadiny taorian’ny nahitana ny fatin-drangahy nifatotra teo ivelan’ny trano. Matetika misy disadisan-tokantrano izy mivady.

Naiditra am-ponja vonjimaika ao amin’ny fon­jaben’Ambalatavoahangy, afakomaly, ilay renim-pianakaviana ahina ho tompon’antoka ho namono nahafaty ny vadiny. Hita faty nifatotra teo an-tokotany misy ny tranony ao Tanambao II, Toama­sina, ilay rangahy. “Somary nampiahiahy ny rehetra ny fahitana ilay razana nivalampatra sy nifatotra teo an-tokotany”, hoy ny mpisolovava ny fianakavian’Itompokolahy, niharam-boina.
Nolazainy fa tsy tao an-tokantranony ilay ramatoa nandritra ny fahitan’ny fokonolona ny razana. “Niantefa any amin-dramatoa vadiny avy hatrany ny ahiahin’ny fianakaviana, ho tompon’antoka tamin’ny famonoana ity raim-pianakaviana ity”, hoy hatrany izy. Mialoha ny fahafatesan’ilay raim-pianakaviana, efa misy antontan-taratasin’ady vokatry ny disadisan-tokantrano izy mivady ireto. “Tratran-drangahy vadiny nanitsakitsaka azy ilay renim-pianakaviana. Kinanjo aty aoriana nisy ity tranga ity.”, hoy ity mpahay lalana.

Navoitran’ilay mpisolovava teny amin’ny fampanoavana izany. Vokany, nidoboka am-ponja vonjimaika ao Ambala­tavoahangy ramatoa, miandry ny fotoam-pitsarana ady heloka bevava. Fanindroany izao no nisiana tranga mitovy toy izao, tao anatin’ny roa volana, tany Toamasina. Anisan’izany ilay ankizilahy 12 taona hita faty nifatotra teo ambodin’ny fandriana tao an-tokantranon-dray aman-dreniny, ny 2 jolay 2023 mialoha ny fanadinam-panjakana BEPC.

Sajo/J.C

Partager sur: