Amadia: maherin’ny 50 ireo diabetika efa misy fery ny tongony

Efa trangana fahasarotana amin’ny toe-tena diabetika ny fisian’ny fery amin’ny tongotra. Voatery tapahina izany rehefa tonga amin’ny fetra farany. Mila manaraka an-tsakany sy an-davany ny fanafody sy ny torohevitry ny dokotera ny marary.

Mikasika ny hetsiky ny diabetika ny lohahevitry ny fampianarana ataon’ny Amadia, etsy Faravohitra, anio. Ireo olon-dehibe mpikambana ao aminy sy ny mpanaraka azy no misitraka izany, ahafahana manaraka tsara ny torohevitra rehetra tsy hampihombo ny fahavoazana.
Atoro ny olona ny fiarovana ny tongotra tsy hahatonga any amin’ny fanapahana azy, araka ny fanazavana nentin’ny dokotera Randriamiharisoa Hasina, Amadia. Ireo olona tsy dia manaraka ny fitsaboana araka ny tokony ho izy no tena voan’ izay faharatran’ny tongotra izay.
Voatery tapahina ilay tongotra rehefa tena tonga amin’ny fahasarotana. Mivadika mainty be ilay tongotra maratra, tsy henon’ny marary ho manaintaina akory izany ka tonga amin’ ny fanapahana mihitsy.
Manodidina ny 50 ireo marary manana tongotra misy fery ary arahi-maso akaiky ny fahasalaman’izy ireo. 7 400 ireo diabetika voatily manerana ny masoivoho 14, manerana an’i Madagasikara.

Ahitana zaza enim-bolana
Zaza enim-bolana no kely indrindra ao amin’ny Amadia, raha 85 taona ny zokiny indrindra, manaraka fitsaboana avokoa izy ireo. Alefan’ny dokotera aty amin’ny foibe ireo tranga fahasarotana avy any amin’ny faritra.
Ireo tanora tia misotrosotro ka lasa simba ny aty sy ny sarakaty no lasa diabetika, noho ny tsy fiasan’ny sarakaty ara-dalàna intsony. Manamaivana ny fitsaboana ny fidirana ao anatin’ny fikambanan’ny Amadia amin’ny fanomezana fanafody sy ny fitsaboana.
Efa miha tanora, araka izany, ny salan-taonan’ireo olona lasa manana toe-tena diabetika eto Madagasikara, hoy hatrany ny dokotera Randriamiharisoa Hasina, Amadia .
Mikarakara fampianarana ho an’ireo mpikambana ao aminy ny Amadia etsy Faravohitra, indroa isam-bolana. Sabotsy faharoan’ny volana, ho an’ny ankizy raha ny sabotsy fahatelon’ny volana, natokana ho an’ny olon-dehibe.
Manaraka lohahevitra hatrany izany. Ankoatra ireo mpikambana, eo indrindra koa ireo mpanaraka marary sy ny ankohonan’ny marary, izay tena mila mahafantatra sy mila manohana ny marary. Mampahery sy mampaharitra azy ireo amin’ny fitsaboana sy fitaizam-batana. Mamolavola ny fianakaviana hahay hanohana ny marary koa ny Amadia.
Miteraka aretina maro amin’ny taova ny diabeta rehefa tsy voalamina. Hisian’ny fiarovana izany no anton’ny fampianarana.

Tatiana A

Partager sur: