Tsara ny voka-panadinana BEPC ho an’ny faritra Atsinanana, raha ireo efa nahazoana vokatra ofisialy. Ho an’ny fari-piadidiam-pampianarana Toamasina I, nahatratra 60,76 % ny taham-pahafahana, raha 54,97% ny taon-dasa. 5 569 ny mpianatra voasoratra anarana ka 286 tsy tonga niatrika fanadinana. Nohamafisin’ny lehiben’ny fari-piadidiam-mpampianarana Toamasina I, Mara Sylvie fa nisy ny ezaka nataon’ny mpampianatra sy ny talen-tsekoly nahatonga ny fahombiazana.
Niakatra ihany koa raha oharina tamin’ny taon-dasa ny vokatra ho an’ny Toamasina II. Mpianatra 5 151 no voasoratra anarana, 158 tamin’ireo tsy tonga nanatrika fanadinana. 3 022 no afa-panadinana, nahazoana vokatra 60,62%, raha 45,55% ny taona 2022. ”
«Efa hiroso amin’ny fampiofanana ny mpampianatra, ho an’ny sefo ZAP sy talen-tsekoly, hatao any Foulpointe, ny tomponandraikitra», hoy ny lehiben’ny fari-piadidiam-pampianarana Toamasina II, Iarison Guy Hervé.
Ho an’ny Cisco Vatomandry, nahatratra 56,35% ny taham-pahafahana tamin’ity taona ity, raha 48,87 izany ny taon-dasa. Nohamafisin’ny talem-paritry ny Fanambeazam-pirenena Atsinanana, Ravolafeno Sylvie fa saika niakatrra avokoa ny taham-pahafahana manerana ny faritra Atsinanana.
Sajo