Famatsiam-bola propangady : mampahatsiahy ny tokony hisian’ny kaonty ny CCFVP

Ny lalàna fehizoro 2018-008 no mamaritra ny fifidia­nana sy ny famatsiam-bola amin’ny fampielezan-kevitra. Enim-bolana mialoha ka ha­tramin’ny telo volana aorian’ny famoahana ny voka-pifidia­nana ofisialy no sahanin’ny kaontin’ny fampielezan-kevitra iray.
Manoloana izany, mitohy ny atrikasa ataon’ny Vaomiera fanaraha-maso ny famatsiam-bolan’ny fiainana politika (CCFVP) amin’izao ankatoky ny fifidianana izao. Taorian’ny faritanin’Antsiranana sy Toamasina ary Toliara, anjaran’ny Fianarantsoa no nanao­vana izany tamin’ity herinandro ity. Nandray anjara ireo tomponandraiki-panjakana amin’ny faritra, distrika, kaominina, fokontany. Eo koa ireo vondrona na antoko mikasa handrotsaka kandidà ary manam-paniriana hitam-bola amin’ny fampielezan-kevitra.
Fampahafantarana sy fam­pahatsiahivana ary fanenta­nana ny tsirairay no atao, araka ny fanazavan’ny filohan’ ny CCFVP, i Milijaona Rado, tany Matsiatra Ambony. “Ma­nomboka any amin’ny mpifidy ka mandalo any amin’ny mpanohana fifidianana sy mpanara-maso fifidianana, indrindra ireo mieritreritra ny hirotsa-kofidina sy izay mety ho mpitam-bolan’izany kandidà izany”, hoy izy. Inona no tokony ho andraikitr’izy ireo amin’ izao vanim-potoana izao? Eo koa ny amin’ny vola azo am­piasaina amin’ny fifidianana, ny amin’ny kaontin’ny fampielezan-kevitra…

R. Nd.

Partager sur: