Fanatsarana fotodrafitrasa : notokanan’ny filoha ny “Aeroport” any Sainte Marie

Hiova tsy ho toy ny teo aloha intsony. Notokanan’ny filoha Rajoelina, omaly hariva, ny fiakaran’ny lentan’ny seranam-piaramanidina ao Ravoraha, Ste Marie.

“Ato am-poko ianareo. Anton’ny ezaka re­hetra hampandrosoana ny aty izany ka mifamatotra isika ary tsy hisaraka”, hoy ny filoha Rajoelina. Roa sosona ny lanonana tamin’ izany. Eo ny fanolorana ny diplaoma fanamarinana ny maha seranana manana ny lenta iraisam-pirenena izany rehefa nahafeno ny fepetra napetraky ny ACM sy ny avy amin’ny “Organisation de l’aviation civil international – OACI” tamin’ny famefena ny seranana. Eo koa ny drafitra fisorohana ny loza, ny fanofanana ireo mpamonjy voina sy ny mpiasa, hiasa eny ambony fiaramanidina sy ny eo anivon’ ny seranana. Nitohy tamin’ny fametrahana ireo jiro manamarika ny lalan-kizoran’ny fiaramanidina rehefa amin’ny alina ka hiantsona ao amin’ny seranana izany. Mbola hita­rina hahazaka fiaramanidina lehibe koa ity toerana ity. Mandeha hatrany ireo jiro ireo na eo aza ny fahatapahan’ny herinaratra. Manana milina mahazaka ny filàn’ireo jiro ny seranana. Nambaran’ny eo anivon’ny Adema fa anisan’ny ny hanamafy ny fahatonga­van’ireo sidina iraisam-pire­nena, hisarihana mpizahatany izany. “Tokony ho maro ireo kaompania hisahana ny fitaterana mpizahatany aty an-toerana”, hoy izy ireo.
Tsiahivina fa hotokanana, anio, ny fanamboarana ny lalana 24km any an-toerana sy ny hananganana foibe fa­no­fa­nana ny tanora. Hovitaina koa ny herinaratra avy amin’ ny ma­soandro ka hidina ny vidin’ny jiro. Hanatrika ny fanokafana ny “Festival de baleines” sy ny fi­to­kanana ny fanatsarana ny fian­gonana katolika koa ny filoha.

Synèse R.

Partager sur: