Fanomanana ny lalaon’ny Nosy: hifanindran-dalana ny fampivondronana sy ny fiofanana

Miha manakaiky ny daty hanatanterahina ny andiany faha-11 ny lalaon’ny Nosy, hatao eto Madagasikara. Ho feno tanteraka ny fandaharam-potoana amin’io herinandro ho avy io, ho fanomanana izany.

Araka ny efa notaterina teto, hanomboka amin’io herinandro ho avy io, ny fampivondronana farany ho fanomanana ny lalaon’ny Nosy, ho an’ny atleta malagasy. Mifanindran-dalana amin’ izany koa ny fampiofanana izay hataon’ireo manam-pahaizana sinoa ny atleta ma­lagasy. Ho feno tanteraka, araka izany, ny fandaharam-potoana amin’iny herinandro iny. Noho ny tsy fahavitan’ny famaritana ny kianja, ho an’ny taranja sasany, no antony tsy nanombohan’ity fiofanana ity, omaly. Efa saika fantatra avokoa anefa ny toerana hanatanterahana izany. Ho an’ny badminton manokana, eny amin’ ny Herons Vontovorona no hikotrana ny atleta. Ho an’ity taranja ity hatrany, hanomboka ny alatsinainy izao ny “match de classement” hifantenana izay handrafitra ny ekipa nasionaly, hiatrika ny lalaon’ny Nosy. Etsy amin’ny kianja Barea Mahamasina kosa ny taranja atletisma no hanaraka ny fiofanana. Ho an’ny taranja fibatana fonjamby sy tenisy ambony latabatra kosa, mbola hofaritana, anio, ny toerana, araka ny fanazavana avy amin’ny tomponandraikitra.
Marihina fa antony nanemorana kely ny fiofanana ho amin’ny herinandro ihany koa, ny mbola fiandrasana ny fitsapana farany ho an’ireo taranja hafa. Izay tafiditra anaty lisitra farany mandrafitra ny ekipam-pirenena isaky ny taranja amin’ireo taranja 4 (badminton, atletisma, fibatana fonjamby ary tenisy ambony latabatra) ihany no hiatrika ny “stage” omen’ireo Sinoa mpanazatra matihanina.
Nisy ny fivoriana ara-teknika sy fandaminana niarahana tamin’ireo Sinoa mpanazatra matihanina sy ny eo anivon’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena, omaly. Na­natrika izany koa ireo federasiona voakasiky ny fiofanana. Fivoriana namaritana ny fandaharam-potoana rehetra mo­mba ny fanomanan-tenan’ireo atleta ihany koa. Nandritra izany no nanambaran’ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, Resampa André Haja, fa mbola hanafatra vahiny manam-pahaizana maro hizara traikefa eto an-toerana, ho an’ny taranja hafa.

Mi.Raz

Partager sur: