Namaky bantsilana ny fanamelohany ny fivoizana ankarihary ny resaka LGBT (Lesbiennes, gay, bisexuel et transgenre) ny governoran’ny faritra Boeny, Andriantomanga Mokhtar Salim, nandritra ny fananganan-tsaina nataon’izy ireo ny fiandohan’ity herinandro ity.
Hentitra izy nilaza fa tafahoatra ny fanelezana ny resaka olona mitovy fananahana mivady sy ireo manova taovam-pananahana amin’ny haino aman-jery amin’izao fotoana.
“Tsy afaka hipetra-potsiny sy hangina aho mahita ireny miparitaka eto amin’ny faritra iadidiko, satria tomponandraikitra amin’ny hoavin’ny taranaka mifandimby eto amin’ity faritra ity”, hoy ny governora. Nanafintohina ny maro ny nahita ireo lehilahy milaza ho vehivavy sy mitonon-tena ho «miss», hifaninana amin’ny vehivavy, tany Mahajanga, novoizina tamin’ny fahitalavitra iray any an-toerana.
Misy fiantraikany amin’ny zanaka ny mahita ny fiparitahan’ireny amin’ny haino aman-jery.
Tatiana A