Hira : vitsy mpandimby ny feo malagasy

Mahasarika tanora, maharevo ny ankizy. Vitsy dia vitsy anefa ireo mahatazona ilay feo mampiavaka ny Malagasy tahaka ny angola. Saika hala-tahaka ny feon’ireo mpihira vahiny no heno. Ilay hira rahateo, manana firafitra hira vahiny. Vitsy amin’ireo tanora no mamorona na mihira batrelaka, bagasy, salegy, sns, kanefa ireny no tena mahatahiry ilay feo mampiavaka ny Malagasy.
Ho levona tsikelikely ka mety ho lasa vakoka ny hiafaran’ireny hira itoeran’ny feo mampiavaka ny Malagasy ireny raha tsy misy fanentanana na famohazana na fanairana hatao amin’ny ankizy sy ny tanora. Mila mandray andraikitra ireo rehetra manandrify izany, tahaka ny haino aman-jery, ny ray aman-dreny, sns.
Mampanahy ny hoavin’ny hira malagasy, saingy, vitsy ny taitra aminy. Raha izao no mitohy, tsy handingana ny 10 taona, tsy ho fantatry ny Malagasy intsony izany feo malagasy izany. Midika fa very fototra iray ny kolontsaina malagasy. Rehefa ny kolontsaina no very, sarotra ny manarina ny firenena «miova tompo» !

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: