Atleta malagasy, eo amin’ny taranja badminton, i Aina Tombontsoako. Anisan’ireo nanaraka fiofanana tany Chine izy ary mbola hisitraka ny fifampizarana hoentin’ireo Sinoa mpanazatra matihanina eto ihany koa, raha toa ka tafiditra ao anatin’ny atleta mendrika. Nohamafisin’i Aina fa tombony manokana ho azy, ny fahatongavan’ireto Sinoa hampiofana ireto satria manana traikefa avo lenta izy ireo. Manana fanantenana ny handrombaka medaly i Aina, mandritra ny lalaon’ny Nosy, eo amin’ny fifaninanana isan-tarika, na ho an’ny lahy na ho an’ny vavy, raha ny taranja badminton. Mila ezaka mafy kosa anefa ho an’ny fifaninanana ho an’olon-tokana, raha te hahazo medaly. “Efa matihanina sy zatra manao fifaninanana iraisam-pirenena avokoa ireo mpilalao mpifanandrina”, hoy ny nohamafisin’ity atleta malagasy ity. Etsy ankilany anefa, zara raha miatrika fifaninanana iraisam-pirenena iray ao anatin’ny taona, raha misy aza, ny ankamaroan’ny atleta malagasy, noho ny tsy fahampian’ny hoenti-manana.
Mahakasika ny fanomanana ny lalaon’ny Nosy, nilaza i Aina fa efa somary tara ny saingy hanao ny ainy tsy ho zavatra ny atleta malagasy, hiarovana ny voninahi-pirenena.
Mi.Raz