Tafiditra amin’ny fandraisana zava- mahadomelina ny tanora amin’izao fotoana izao. Tsy ny sigara sy ny toaka ihany fa hatramin’ny héroïne, araka ny fanadihadiana tany Toamasina.
Hitan’ny tomponandraikitry ny «service psychiatrique» eo anivon’ny CHU Analakininina, Toamasina fa maro ny ray aman-dreny mitondra ny zanany hozahan’ ny mpitsabo satria manana olana any am-pianarana (tsy fifantohana, tsy mazoto hanohy fianarana…). Nanao fanadihadiana momba ny fandraisan’ny mpianatry ny lycée zava- mahadomelina izy ireo, hoy ny lehiben’ny service, ny dokotera neuro-psychiatre, Ratobimanankasina Herilanja, omaly teny Tsimbazaza. Tanora mpianatra 600 (14-22 taona) eny amin’ny lycée enina ao Toamasina I no nanaovana fanadihadiana momba ny fandraisan’izy ireo zava-mahadomelina : toaka, labiera, paraky, sigara, cannabis sy héroïne,, ny volana oktobra sy novambra 2020. Nivoitra tamin’ny vokatr’izany fa 11,20% amin’ ireo mpianatra mifoka sigara isan’andro no tsy mifantoka amin’ny fampianarana any an-dakilasy. Ho an’ ireo misotro toaka sy labiera, 14,32% no lasa mivangabao, 53,63% manana olana amin’ ny fitadidiana, 45,30% sahirana amin’ny fifantohana. Ireo nandray cannabis kosa nilaza ny 31,20% fa matahotra sy mitaintain-dava, sahirana any an-dakilasy ny 48,91%, ary tsy matoky tena ny 59,61%. Mampiseho fahakivian-tsaina tanteraka ny 42,20%.
Amin’ny mpianatry ny lycée 600, misotro labiera ny 366, misotro toaka ny 303, mifoka sigara ny 242, mihinana paraky ny 117, mandray “cannabis” ny 83 ary fito no midoroka héroïne. Mpandray zava-mahadomelina tsindraindray izy ireo ary ny mpianatra amin’ny kilasy famaranana sokajy A no maro anisa, araka ny fanadihadiana ihany.
Vonjy A.