Roa herinandro lasa izay, fantatra fa hanao «cabaret» irery i Mahery Majika. Tampoka tsy nampoizin’ny rehetra kosa, lasa fiarahana an-tsehatr’izy sy i Nanie izany. Mandalo an-tanindrazana mantsy i Nanie amin’izao fotoana izao, ka manararaotra ny fotoana ela dia ela tsy naha teo azy, hihaonany indray amin’ireo namany mpiara-milomano anaty mozika, sy ireo mpankafy.
Nahatazanana an’i Nanie faharoa, ny fiakarany an-tsehatra nandritra ny fanamarihana ny faha-60 taonan’ny mozikan’i Fanja Andriamanantena. Anisan’ireo mpanakanto novolavolain’ny mozikan’i Fanja Andriamantena i Nanie. “Miainga amin’ny fototra aloha no hanombohako azy… Kintan’ny “Mozika tsotra izao”, namorona ny “Hir’Aina”, “Antsoy ny anarako”, “Feo roa”, sns, i Fanja Andriamanantena, hoy ny filazan’i Nanie nialoha ny fotoana. “Feno… Tsy haiko hazavaina”, hoy hatrany kosa ity mpanakanto ity, mikasika ny fihetseham-pony, tafaraka indray an-tsehatra tamin’i Lalie, tamin’io fotoana io.
Tao anaty mozika foana, ary mbola ao anatiny na dia any ivelany aza i Nanie. Mazava loatra ny tohin’ny anton-dian’i Lalie, dia ny seho goavana izay homaniny. Hanamarihana ny 30 taona an-kira io, izay hotontosaina etsy
amin’ny CCEsca Antanimena, ny alahady 6 aogositra, manomboka amin’ny 3 ora folakandro. Tsy mbola nampahafantatra ireo mpanakanto namany hifanotrona aminy amin’ny seho i Nanie, hatramin’izao…
Zo ny Aina