Mpianatra doctorant : “Tsy azo terena hikarakara Bacc”

Manoloana ny teny midina avy amin’ny tomponandraikitry ny oniversiten’Antana­na­ri­vo fa tsy maintsy manampy ny sampandraharaha mikarakara ny fanadinana ireo mpianatra taona voalohany manomana “doctorat” ka hisahana andraikitra mandritra ny fanadinana bakalorea manomboka amin’ ny alatsinainy ho avy izao. Na­nao fampahafantarana ny sendikàn’ny mpampianatra mpi­karoka (Seces), sampana Antananarivo, omaly, fa tsy misy mpiasam-panjakana na tomponandraikitra afaka ma­ne­ry azy ireo hanatanteraka asa tsy sitraky ny fony. Ny asa sy ny anton-javatra mifandraika amin’ny fanomanana na fiomanana amin’ny fanohanan-kevitra ( thèse), ahazoana ny mari-pahaizana “doctorat” ihany no azo hanerena azy ireo. Izay ihany no antony nandraisan’ny oniversiten’Anta­na­narivo azy ireo sy nanaovany sonia fa tsy zavatra hafa. Fampahafantarana ho an’ny andaniny roa no natao ka manana safidy na hanao na tsia ireo mpianatra, hoy ny fa­nazavan’ny sekretera jenera­lin’ny Seces, sampana An­tananarivo.
Momba ny firosoana amin’ ny fampiatoana ny asa fampianarana sy fikarohana, mifarana ny alatsinainy hariva ny 72 ora napetraky ny Seces ho an’ny fanjakana hitondrana valiny amin’ny fitakiana.

Vonjy A.

Partager sur: