Nandratra raim-pianakaviana : hampiakatra ny raharaha ilay lasibatra

Niakatra fampanoavana, ny alarobia teo, ilay lehilahy tompon’antoka tamina fandratrana raim-pianakaviana iray, teny Antanety Atsimo Ambohimanarina. Nivoaka ny didy ka voaheloka sazy mihantona dimy taona miampy onitra 10 tapitrisa Ar ity nahavanon-doza ity. Tsy ara-drariny ilay didim-pitsarana fa sazy mihatra fanagadrana am-ponja no nandrandrain’ny fianakavian’ilay niharam-boina kanefa sazy mihantona no azo. Hampiakatra ny raharaha, araka izany, izy ireo. Ratra sy vono olona niniana natao, miaro fanendahana anefa no nataon’ity voarohirohy ity, tamin’ny fotoana nitrangan’ny herisetra. Ny alin’ny 11 jona no niseho ity herisetra narahina fandratrana ity teo am-bavahadin’ity raim-pianakaviana ity. Voalaza fa sendra voatosika tsinahy teo an-tokontany izy no teraka teo ny disadisa. Novelesiny tampoka tamin’ny tavoahangy ny lohany ka nahazo ny masony. Lasa nitsoaka kosa ilay nahavanon-doza rehefa avy nidaroka. Mafy ny ratra nahazo ka nentina notsaboina teny amin’ny hopitaly HJRA izy. Voa­tery nandalo fandidiana satria tafatsofoky ny vaky tavoahangy teo ambany masony. Tratra ny 4 jolay teo ilay lehilahy nidaroka ka nentina nanaovana famotorana teny amin’ny borigady Tanà-Ville. Nisy ny fifampiraharahana saingy nivadika indray ity nahavanon-doza, araka ny fanazavan’ilay naratra. Tsy nety handoa ny vola afa-tsy 1 hetsy Ar izy.

J.C

Partager sur: