Lehilahy iray mpangarom-paosy, teo am-pikasana hangalatra finday no voasambotry ny polisy tao anaty taxi-be 137, tetsy Tanjombato, omaly. Niakatra anaty fiara fitateram-bahoaka, mody nipetraka teo akaikin’ny mpandeha iray io lehilahy io. Nosokiriny moramora tao anatina poketra ny finday an’ilay ramatoa. Natsofiny am-paosy izany. Tsy lavitra teo, tsikaritry ny polisy iray nanao fanamiana sivily io fihetsik’ilay mpangarom-paosy io. Nampandre ny polisy namany izy. Nosakanan’ny mpitandro filaminana ilay taxi-be teo Tanjombato. Naidina anatin’ny fiara ilay lehilahy. Nosavaina ny paosiny. Tratra teny aminy tokoa ilay finday nangalariny. Tsy nahalala ny fahaverezan’ny finday teny aminy akory ny lasibatra. Naverina teny amin’ity farany io fananany io. Nentina natao fanadihadiana kosa ilay mpangarom-paosy. Atolotra ny fampanoavana izy aorian’izay. Marihina, hanararaotan’ireo olon-dratsy hanaovana sinto-mahery sy harom-paosy avokoa ireo toerana vory olona eto an-dRenivohitra.
Tsiferana R.