Hotontosaina ny sabotsy 15 jolay sy alahady 16 jolay ny fifidianana ho an’ireo “sections”, araka ny fanapahan-kevitry ny vaomiera misahana ny fifidianana eo anivon’ny Federasion’ny baolina kitra. Tsiahivina fa miisa dimy izy ireo no tsy mbola nahavita fifidianana. Anisan’izany i Brickaville, Mahanoro, Ambohimahasoa, Vohipeno, Ifanadiana.
Hotanterahina manomboka anio hatramin’ny 23 jolay, any amin’ny Nosy Sainte-Marie, ny «Festival des Baleines 2023». Araka ny fanambarana nataon’ny mpikarakara ny hetsika, hisy lalao Beach rugby. Taranja ara-panatanjahantena hampiavaka ny hetsika, izay tafiditra amin’ny lohahevitra «Esprit Beach». Marihina fa 14-17 taona ihany no mandray anjara amin’izany.
Hotanterahina, manomboka anio sabotsy 15 jolay, etsy amin’ny kianja Barea Mahamasina, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja basikety, ho an’ny sokajy latsaky ny 14 taona, lahy sy vavy. Hentitra ny vaomiera teknika sy ny federasiona malagasin’ny basikety, amin’ny fampanarahan-dalàna ny fifaninanana.
Hatao ny alarobia 19 jolay izao, eny amin’ny Cité Ankatso, ny “Festival Alefa Parkour”, andiany faharoa. Hizara roa ny sokajy hifaninanana amin’io fotoana io. Hisy ny natokana ho an’ireo efa matihanina ary eo ny ho an’ireo vao hanomboka. Voafetra ho 30 ny isan’ny mpandray anjara amin’ity hetsika ity.