Diso io ! Marina io ! Na ireo teny malagasy anisan’ny tsotra indrindra aza, mbola (na nanjary) iharan’io tranga io. Vokatry ny tsy fisian’ny rafitra mazava sy tsy fandraisana andraikitra, manangasanga any ho any ny «Ny avo feo no mandresy» !
Mikaroka ny mpikaroka. Mandinika ny mpandinika. Mampianatra ny mpampianatra. Mianatra ny mpianatra… Fa toa vao mainka ipoiran’ny olana ny teny malagasy. Toa izay lazain’ny avo feo ihany no ambara fa marina ka tonga tenenin’ny olon-drehetra. Izay aloaky ny vavan’ny manam-pahefana no lasa fitsipi-pitenenana na voambolana malagasy, marina. Voizin’ny haino aman-jery samihafa ka tonga teny malagasy, ampiasain’ny Malagasy amin’ny fiainany andavanandro. Lasa lova ho an’ny taranany any aoriana.
Mahavariana, fa tsy miteny manoloana ny tranga tahaka izany ireo heverina ho manam-pahaizana sy manam-pahalalana. Antony faharoa mahatonga ny teny malagasy tsy ho marin-toerana io. Matahotra ny hanitsy ireo manana fahefana hiresaka ve ny Malagasy manana fahaizana sy fahalalana momba ny teny malagasy, sa efa mahafantatra fa ho sarotra ny fanitsiana ka aleo mangina?
Saika tratra avokoa ireo maha Malagasy
Fomba amam-panao, kolontsaina, tantara, sns. Hita sy re fa diso ny ambaran’ireo «avo feo», dia mbola miaina ao anaty fahanginana ihany ny mahafantatra. Vokany, miaina ao anatin’ny fahadisoina koa ny Malagasy. Zary manao randra-mitarika hatrany amin’ny taranaka any aoriana izany.
Tsy mahagaga raha manao an-tsavily an-tendron-kazo ny teny malagasy sy ny maha Malagasy iray manontolo. Mipoitra etsy sy eroa ny voambolana vaovao, fitsipika vaovao, fomba vaovao, fihetsika vaovao, sns, kanefa ny fivoahan’ireny no vao mainka mampihen-danja sy mahavery hasina ny teny, ny fomba, ny tantara, ny finoana, sns, malagasy.
… Na, ireo «avo feo» manontany ny «mahay sy ny olon-kendry» vao miteny. Na, misafidy ny tsy hiteny. Na, mianatra izay hotenenina… Izay vao miteny !
HaRy Razafindrakoto