Tetikasa “Fandraharahana”: 30 ireo maintimolaly manaraka fiofanana

Naharitra 3 andro ny atrikasa mikasika ny fandraharahana, tetsy amin’ny masoivoho amerikanina Andrano­me­na. Nanokatra izany ny masoivoho Claire Pierangelo. Ta­fi­di­tra ao anatin’ny fandaharanasan’ny governemanta amerikanina «U.S. Speaker Pro­gram», izay mampifandray manam-pahaizana amerikanina amin’ny mpisehatra matihanina maneran-tany ity natao ity.
Amin’ny alalan’ny fanitarana ny tambajotran’izy ireo sy ny fifampizarana traikefa sy to­ro­hay no hanatanterahana ny fifampizarana. Mikendry ny ha­namafisana ny fifanakalozana eo amin’ny sekoly na oni­versite na fikambanana amin’ny manam-pahaizana ame­rikanina ihany koa ny fandaharanasa. Atao amin’ny alalan’ny fihaonana mivantana na ampitain-davitra, fifanakalozan-kevitra sy fiofanana ary atrikasa, izany. Maintimolalin’ ny fandaharanasa tohanan’ny governemanta amerikanina sy mpandraharaha miisa 30 mianadahy no mandray anjara amin’ity atrikasa «Fandrahara­ha­na» ity. Hitondra ainga vao sy hamparisika azy ireo ny fahavitan’ny atrikasa.

Tatiana A

Partager sur: