Tsy mila mpampiesona

 

Milamindamina ny raharaha politika eto am-piandrasana ny lahatenin’ny Filoham-pirenena rahampitso alina. Misy lamina manokana mihitsy ny fikarakarana ity fanambarana ho an’ny vahoaka malagasy ity. Mifanindran-dalana amin’izany, sady miasa no miala sasatra any amin’ny Nosy Sainte Marie ny tompom-pahefana, ankehitriny. Iaraha-mahalala fa nihazakazaka be tampoka teo ny resaka fifidianana. Tsy maintsy irotorotoana ihany koa ny fitokanana isan-karazany. Fampielezan-kevitra vita ho azy !
Etsy ankilan’izany, niparitaka nanomboka omaly, ny tahirin-kevitra avy amin’ny vovonana politika milaza ho fiombonan’ny tsy tia korontana. Mitonona ho mpisoroka izay mety ho endrika tsy fitovian-kevitra mialoha sy mandritra ary aorian’ny fifidianana. Hevi-dehibe mivoaka avy amin’izy ireo ny fananganana governemanta iray, eken’ ny besinimaro. Drafitra, toa mifanindran-dalana amin’ny fitakian’ny mpiara-miombon’antoka vahiny. Ireto farany izay mbola manana ny teny farany, ho takalon’ny volany na milalao ny fomba fiteny diplomatika aza. Mampiba­ri­bary izy ireo fa mbola ambany vahohony ilay Madagasi­kara.
Raha mamaky ilay tahirin-kevitra dia sanganehana. Hita taratra fa ilay vahoaka madinika hatrany no an-jorom-bala. Tratran’ny tian-kano, tsy tian-kano. Vahao­lana azo tsapain-tanana avy hatrany anefa no ilain’ny sarambabem-bahoaka. Ilay mitondra vokatsoa ho an’ny andavanandrom-piainany dia ny fifidianana izany. Tsy miandry fahagagana akory ny Malagasy, fa mitaky drafi-piarahamonina, mitondra fampandrosoana. Iza anefa no sahy hanao fanamby ? Niaraha-nahita ireny ny velirano sy ny fisandratana ary ny Map saingy mbola mahantra fadiranovana Ramalagasy. Tsy fotoanan’ny fampiesonana intsony izao !

r.r

Partager sur: