Zava-mahadomelina : sarotra tsaboina ny fiankinan-doha

Niompana tamin’ny fiankinan-doha amin’ny zava-mahadomelina, ny antony sy ny voka-dratsiny, ny lohahevitry ny fivoriana siantifika fahavalo, omaly, teny amin’ny Akademia Malagasy, Tsimbazaza. Noho ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina, indrindra ny héroïne (rôrô), eto amintsika tato ho ato no nikarakaran’ny «Société malagasy de psychiatrie» (Somap) ny hetsika . Mitarika fiankinan-doha ara-batana sy ara-tsaina ny zava-mahadomelina ka na manana risi-po hiala aza ilay olona, sarotra rehefa tonga amin’ny fiankinan-doha ara-batana.
«Nampahafantarina ny olona ny zava-mahadomelina misy sy ny vokany ho an’ny olona mandray azy sy ny fianakaviany ary ny firenena manontolo», hoy ny neuro-psychia­tre, ao amin’ny sampandraharahan’ny fahasalaman’ny saina, CHUSSP Analakely, professeur Rajaonarison Bertille. Teo koa ny fandraisana an-tanana ireo efa tafaroboka ka tsy vitan’ny mpitsabo irery fa miaraka amin’ny tohan’ny fianakaviana sy ny fiarahamonina mihitsy vao mahomby.
Fikarohana fahafinaretana no tanjona amin’ny fandraisana voalohany zava-mahadomelina. Mitaky fatra bebe kokoa hatrany anefa ilay vatana vao tratra ny fahafinaretana tadiavina aty aoriana ary lasa mihoatra ny fatra ka mety hiteraka olana na fahafatesana mihitsy. Rehefa tsy azo ilay fatra ta­kin’ny vatana, miseho ireo soritraretina samihafa eo amin’ ilay olona. Azo atao ny miady amin’ny soritraretina mitranga eo amin’ilay olona noho ny tsy fahampian’ny fatra. Miady amin’ny antony nahatonga ilay olona roboka amin’ny zava-mahadomelina koa ny mpitsabo. Sarotra anefa ireo raha tsy misy finiavana miainga avy amin’ilay olona nandray zava-mahadomelina ny fandraisana an-tanana.

Vonjy

Partager sur: