Ambohitromby Ankazobe : tafapetraka ny herinaratra avy amin’ny masoandro

Manampy amin’ny famatsiana herinaratra eny ifotony ny Antenimierandoholona amin’ny maha mpiahy ny Vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana azy. Notokanana ny sabotsy 15 jolay teo ny foibe mpamokatra herinaratra avy amin’ny masoandro, eny Ambohitromby, distrika Ankazobe. Nitarika izany ny filohan’ny Antenimierandoholona (PS), Razafima­hefa Herimanana, ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo, Andriamanampisoa Soloniaina, ny filohan’ny orinasa Solar Plexus, nanao ny fotodrafitrasa. Teo koa ny tale jeneralin’ity orinasa ity, Nicolas Namy, sy ny filohan’ny Antenimieran’ny asa sy ny asa tanana atsy La Réunion, Bernard Picardo, ary olo-manan-kaja maro. Nilaza ny filoha PS, Razafimahefa Herimanana, fa « tokantrano maherin’ny 3 000 no hisitraka ity herinaratra avy amin’ny masoandro ity any Ambohitromby ». Haharitra 25 taona ny fotodrafitrasa, ahafahana mampiasa jiro, fahitalavitra, mamahana finday, sns. Ampiasana bateria manokana, ka 3 000 ar isan-kerinandro ny sarany. Hampianarina ny fampiasana azy ny vahoaka.

Njaka A.

Partager sur: